FIVORIAMBE

NY 17 sy 18/12/2011 eto Antananarivo
Saran-dasy: 8.000 Ariary
Toerana: Marlix

88 TAONA

1923 ... 2011

Dinika Nasionaly

Sampana Mpiandalana
Volana Desambra 2011

Propriétaires du site

  • Admin Foibe
IREO SAMPANA‎ > ‎

2_MPIANJORIA

Ny skotisma sy ny mpianjoria

Taorian’ny nanoratan’i Baden Powell ilay boky hoe”Scouting for the boys” dia niangavy azy ireo tanora mba hampihatra izany. Zazalahy 12 ka hatramin’ny 17 taona izy ireo. Natao vokatr’izany ny lasy tany brownsea.
Teo ny niaingan’ny fikambanana skoto. Zara taona iray ihany izany no nanandraman’i Baden Powell ny skotisma ka ny zara taona mpianjoria dia anisan’ny namoronany azy hatrany am-piandohana. Taty aoriana kosa rehefa nandinika sy nanadihady izy dia nahatsapa fa ilaina ny nanampy sampana roa hafa, dia ny lovitao ho an’ny ankizy sy ny mpiandalana ho an’ireo tanora zokiny.

Ny kendren’ny sampana mpianjoria:

Tia andrankandrana sy tia nofinofy sady be lalao ny zazalahy 12 ka hatramin’ny 15 taona. Mankafy ny fiarahana amin’ny namany izy. Ankasitrahany izay mihevitra azy ho olon-dehibe ary tiany ny manahaka olo-malaza. Mavesatra aminy ny fehezina fa mankamamy fahaleovantena izy. Hitany sy tsapany ny fiovana lehibe eo amin’ny toe-tenany ka mahatonga azy hahery setra izany.

Izany toetra amam-pilan’ny zazalahy mpianjoria izany no iaingan’ny mpiandraikitra ka amoronany lahasa hisedran’ireo beazina ny heriny sy ny fahaleovantenany, ka ibeazany ao anatin’ny fiarahamonina iainany.
Ny kendrena dia ny hahatonga azy olom-pirenena sambatra mahazaka andraikitra.

Masindahy Georges , ilay be herim-po, no mpiaro ny mpianjoria, ka isan’ireo tsara alain’ny mpianjoria tahaka.