Ny skotisma sy ny mpiandalana Tany am-piandohana dia ny zatovo 12 taona hatramin’ny 17 taona ihany no voakasiky ny skotisma. Rehefa tsapan’i Baden Powell fa nitsiriritra ny fiainan’ny skoto koa ireo tanora zokiny, dia nanoratra ilay boky atao hoe: “Rover to success” izy avy amin’izany no nipoiran’ny sampana mpiandalana. Ny kendren’ny sampana Mpiandalana. Tanora 18 taona ka hatramin’ny 25 taona no mikatroka ao amin’ny sampana Mpiandalana. Araka ny lalàna malagasy dia afaka mifidy ny tanora 18 taona manana karapanondro, ary afaka maka vola any amin’ny banky ireo feno 21 taona. Efa azo lazaina ho olon-dehibe mizaka ny zom-pirenena izany ny tanora ao amin’ny sampana Mpiandalana. Efa nandrafitra ny toetra amam-pihetsika, efa nanangona fahaizana amam-pahalalana tany amin’ny sampana zandriny izy. Raha tsy efa mahazaka tena ara-bola dia efa miomana hikaroka izay ho antom-pivelomana, raha tsy efa nahita izay ho taolan-tehezana dia efa mijerijery izay hiara-dalana aminy hamakivaky ny fiainana. Manana ny heviny ny Mpiandalana ka tsy manaiky didy jadona, vonona hifanakalo hevitra anefa izy. Matoky ny tenany izy ka te hampiseho fa mahazaka adidy. Mahafinaritra azy ny miaina ao anaty firaisan-kina sy fifankatiavana. Mijery lavitra izy ka manangona hery hiatrehany ny ho avy. Ao amin’ny Fokonolona no sehatra ampiharana sy anatanterahana ny fanabeazana ireo tanora Mpiandalana. Ny tanora miditra ho Mpiandalana dia miditra ao amin’ny fianakaviam-ben’ny skotisma eran-tany. Araka ny hetaheta sy filan’ny tanora no amoronana izay lahasa mifanentana aminy ao amin’ny Fokonolona. Teny ierana hatrany no anomanana sy andanjalanjana ireny mba hahatomombana azy . Ny fiangavian’i BP ho an’ireo Mpiandalana dia ny hifampitondrany toy ny mpiray tampo, mifampizara hafaliana amim-pitokisana. Tokony hampitovy fijery izy ireo, mba hampaharitra ny fiarahana sy hitsinjovana ny ho avy. |