Ny skotisma sy ny Mpamakilay:
Zara taona iray ihany, zazalahy 12 ka hatramin’ny 17 taona, no nanombohan’i Baden Powell ny skotisma. Taty aoriana rehefa nandinika sy nanadihady izy dia nahatsapa fa ilaina ny nanampy sampana roa hafa, dia ny lovitao ho an’ny ankizy sy ny mpiandalana ho an’ireo tanora zokiny.
Ny mpikaroka taty aoriana kosa nahita fa tsy mitovy ny filàna sy hetahetan’ny zatovo miala sakana sy ao anatin’ny fahamaotina.
Tany amin’ny taona 1963 ary no niforona ny sampana fahaefatra tato amin’ny skotisma, dia ilay natokana ho an’ireo zatovo ao anatin’ny fahamaotina 15 taona ka hatramin’ny 17 taona.
Nanaraka izany ny Antilin’i Madagasikara tamin’ny taona 1994 ka nanorina ny sampana mpamakilay hanampy ireo sampana zandriny, lovitao sy mpianjoria, sy ny sampana zokiny, ny mpiandalana. Mifototra indrindra tamin’ny fitiavana ny zavaboaary sy ny fankafizana ny fiainana eny anivon’ny natiora ny fanabeazana ao. Beazina hikely aina hikolo sy hanatsara ny fifandraisany amin’io natiora io ny mpamaky lay, mba hahaizany mankafy ny soa entiny. Vokatr’izay dia filamatra eo amin’ny fiarovana sy fanajariana ny tontolo iainana izy.
Skoto mpitari-dalana ny sampana mpamakilay ka manaiky sy mandavorary mandrakariva ny Lalàna mifehy ny fikambanana.
Miara-dia hatrany ny Mpanabe sy ny Beazina satria mihevitra fa zava-dehibe ny fifanabeazana. Mikendry mandrakariva ny hisondrontan’ny Beazina izany rehetra izany ka mila fitaovana, toy ity boky natokana ho an’ny Mpiandraikitra ity.
Ny kendren’ny sampana mpamakilay:
Tovolahy itoeran’ny hery sy miaina ny fahamaotina ny mpamakilay.Vanim-potoana sarotra indrindra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona no lalovany.
Lalam-piainana tena be fakam-panahy misarika ny tanora izy io, noho izany, ilaina ny manome idealim-piainana ho an’ireo zatovo.
Ny sampana ary dia mikendry indrindra:
Masindahy Joany Batista, ilay mpialoha lalana an’i Jesoa, no mpiaro ny Antily Mpamakilay.
Miara-dalana aminy ny zatovo ao amin’ny sampana, sady maka tahaka azy.

1. Ny hamolavola Lahasa hitantanana ny herin’ny zatovo hanaovany zavatra mahasoa.
2. Ny hananan’ny zatovo risi-po hiaraka hikatsaka ny tsara.
3. Ny hikatsahan’ny zatovo an’Andriamanitra ao anatin’ny tontolo iainany.