FIVORIAMBE

NY 17 sy 18/12/2011 eto Antananarivo
Saran-dasy: 8.000 Ariary
Toerana: Marlix

88 TAONA

1923 ... 2011

Dinika Nasionaly

Sampana Mpiandalana
Volana Desambra 2011

Propriétaires du site

  • Admin Foibe
NY SKOTISMA HO LOVITISMA


Tany am-piandohana dia ny zatovo mihoatra ny 13 taona ihany no voakasiky ny skotisma. Nanomboka tamin’ny 1912 – 1914 anefa dia nangatahin’Ingahy Baden Powell Ramatoa Barklay, izay manam-pahaizana momba ny psikolojia sy firaketana an-tsoratra, mba hanao fikarohana sy handrindra ny fanabeazana skoto hifanaraka amin’ny zaza 8 ka hatramin’ny 12 taona.

Tamin’ny taona 1915, dia nody ventiny ny rano natsakaina ka niorina ny sampana Lovitao. Niainga tamin’ny tantaran’ny Atiala noforonin’ny Anglisy iray teraka tany Inde atao hoe “Rudyard Kipling” no namoronana ny lovetisma. Nahaliana an’i Baden Powell ilay olona aseho tantara fototra tao amin’io boky io antsoina hoe “Mowgli”:tia zavatra mampitolagaga izy maniry hikaroka sy hianatra izay hitany. Koa satriny hampitaina amin’ny ankizy izany toetra soa izany.

Amboadia no nitaiza an’i Mowgli ka izay sary izay no nakàna ny anaran’ireo ankizy 8 ka hatramin’ny 12 taona ato amin’ny skotisma atao hoe : “Lovitao”. Ankizy toa an’i Mowgli izy ireo fa naka ny fitsipi-piainan’ny amboadia. Araka izany, ny fanapahan-kevitra rehetra eo amin’ny lovitao dia raisina eo amin’ny “vatofihaonana” manodidina an’i Akela.

Ny kendren’ny lovetisma

Enin-taona ny zaza malagasy no manomboka mianatra amin’ny ankapobeny. Ny zaza miditra ho lovitao dia efa mahay manoratra sy mamaky teny, efa afaka mampirindra ny fihetsiny.
Mila toerana malalaka izy fa somary mahery setra. Matselaka ny sainy ka mora mandray zavatra. Ilaina amin’ny taonan’ny lovitao ny fandranitana ny sofiny, ny masony, ny orony, ny fitadidiany, ny hakingan’ny vatany sy ny tanany aman-tongony, fa indrindra ny fitenenany : tia miresaka, mitantara, manazava zavatra amin’ny ankizy namany ny ankizy amin’io taona io ary satriny misy mpihaino.

I Vera Barklay dia manazava ny kendren’ny lovitisma ao amin’ny bokiny “Lovitisma sy ny fanefena toetra”. Ny lalao sy ny fifaneraserana no heveriny fa mahomby indrindra amin’izany.

Fanefena toetra amin’ny fomba mavitrika ny lovitisma ary mandray anjara amin’ny fanabeazana ny tenany ihany koa ny ankizy.

Ao amin’ny andia no sehatra ampiharana sy anatanterahana ny fanabeazana ireo ankizy lovitao ireo. Ny ankizy miditra ao amin’ny andia dia miditra ao amin’ny fianakaviam-ben’ny skotisma eran-tany.

“Enina” efatra, izany hoe : lovitao 24, no mamorona andia iray. Ferana toy izany ny isan’ny ankizy hanamora ny fanaraha-maso azy ireo sy hahafahana manampy azy hivelatra sy handroso.

Araka ny hetaheta sy filan’ny ankizy no amoronana izay lahasa mifanentana aminy ao amin’ny andia. Ny mpiandraikitra kosa manomana sy mandanjalanja hahatomombana ireny.

Vous devez être connecté pour ajouter des gadgets que vous seul pouvez consulter