FOTO-KEVITRA ENTIN’NY ANTILY MANOFANA Misy foto-kevitra dimy iorenan’ny fanofanana ato amin’ny Antilin’i Madagasikara, mifampiankina ireo ka tsy misy azo avela, fototra ireo ka tsy maintsy ao an-tsain’ny mpampiofana lalandava 1- Zo ho an’izay mitana andraikitra ny miofana Vonona hanome ny herimpony sy ny fotoanany ho an’ny fikambanana ny tsirairay. Zony noho izany : - ny mitaky amin’ny fikambanana ny hanofanana azy araka ny andraikitra tanany mba hahombiazana eo amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny. - ny mahazo fiofanana ara-potoana mba tsy handiso fanantenana na hanaovany zavatra tsy mifanitsy amin’ny andrasan’ny fikambanana -ny hotohanana am-perin’asa mba hahatsiarovany fa tsy irery izy fa misy mpiahy eo amin’ny andraikitra sahaniny 2-Adidy ny miofana -Adidy eo amin’ny fiaraha-monina, ny ray amandreny ary ny ankizy sy tanora ny fiofanana. Izy no ahafahana miantoka ny fanabeazana ho an’ny ankizy sy tanora. Mamitaka ny fiaraha-monina sy ny ray aman-dreny ny tompon’andraikitra tsy miofana -Adidy eo amin’ny tena : Fandraisana an-tanana tsikelikely ny fampivoarana ny tena no kendren’ny skotisma. Manana adidy ny tsirairay nahavita velirano hampivelatra sy hampivoatra ny tenany. Ny fanofanana no isan’ny fomba mahomby indrindra hahafahan’izay mandray andraikitra manatanteraka izany. -Adidy amin’Andriamanitra : Antso sy talenta avy amin’Andriamanitra ny ho-mpanabe sy ho- mpiahy ato amin’ny fikambanana. Tsy ny olon-drehatra akory no afaka hisahana izany andraikitra lehibe izany satria olona manana endrik’Andriamanitra no karakaraina, fanahy no volavolaina. Hikolokoloana sy hampivoarana izany talenta izany ary hamaliana ny antso avy amin’Andriamanitra dia tsy maintsy miofana ny mpanabe.
3-Tombanana ny fiofanana Alohan’ny dingam-panofanana : Tombanana mialoha ny filan’ny mpiofana ary fantarina izay andrasany amin’ny fanofanana satria ny fanofanana dia fotoana iezahana hamaliana ny filàna sy izay andrasan’ny mpiofana, fotoana ifanitsiana sy ifanakalozana hevitra. Manantena zavatra avy amin’ny fanofanana ny fikambanana sy ny mpiofana : alohan’ny fanofanana no andravonana ireny sy ampitoviam-pijery mba tsy handiso fanantenana ny andaniny sy ankilany. Raha misasaka ny fotoam-panofanana Tena ilaina ny maka fotoana any antenanten’ny fotoam-piofanana mba : - hamantarana raha mifanitsy amin’ny andrasan’ny mpiofana ka mahavaly ireo hetahetany sy filany ny fanofanana omena. - hijerena koa raha mizotra mankany amin’ny vokatra hotratrarina ny fiofanana. - hanombanana ny lentan’ny fiofanana azon’ny mpiofana mba hahafahan’ny mpampiofana manitsy ny fitondrany ny fanofanana raha ilaina izany. -Aorian’ny fotoam-panofanana Ny fanombanana aorian’ny fanofanana no amantaran’ny mpiofana sy ny mpampiofana ny vokatra azo nandritra ny fotoam-panofanana. Misy ny fanombanana iarahan’ny mpampiofana sy ny mpiofana rehetra: ny ijerena ny fizotran’ny fiofanana amin’ny ankapobeny hatrany amin’ny fampiantranoana ka hatramin’ny fifampitondrana no kendrena amin’izany. Misy koa ny fanombanana andraisan’ny mpampiofana ny mpiofana tsirairay ka eo no: - asongadina ireo toe-javatra mbola tokony hohalalinin’ny mpiofana bebe kokoa. - ilazana amin’ny mpiofana ny fomba mandavantaona hiofanany amin’ireo lafin-javatra mbola manavia azy. - ifanarahan’ny mpiofana sy ny mpampiofana amin’izay fampiharana tsy maintsy hataony aorian’ny fanofanana. -Aorian’ny dingam-panofanana Rahefa vita ny fampiharana dia tombanana amin’ny alalan’ny vokatry ny asa nataony ny mpiofana. Aorian’izany izy vao : -ankatoavin’ny mpiahy sy mpampiofana -tolorana ny marika mifanandrify amin’ny fanofanana vitany. -omena lalana hikatroka ny dingana manaraka, Tandremo tsara fa ny fampiaharana no zava-dehibe noho ny fotoam-panofanana , ary ny fanombanana azy no mamoha ny lalana ho any amin’ny dingana manaraka. 4-Miofana araka ny andraikiny ny tsirairay Fanabeazana no antom-pisian’ny Antilin’i Madagasikara. Eo anivon’ny fivondronana no tena hanatanterahana izany fanabeazana izany. Mila fiofanana ireo mpanabe antoky ny fanabeazana sady mila mpiahy koa. Raha tsy miofana koa anefa ireo mpiahy tsy ho afaka hanatontosa ny andraikiny. Noho izany, manolotra tsingerim-panofanana fototra roa ny fikambanana : -ho an’ireo mpanabe misahana mivantana ny fanabeazana izany hoe: mpiandraikitra tafika sy mpanampy azy. Misy dingana roa ny fiofanana ho azy ireo: Ketsa sy Salohim-bary. -ho an’ireo miahy mivantana ireo mpanabe izany hoe: toniam-pivondronana sy ny mpanampy azy. Misy dingana roa ihany koa ny fiofanana ho azy ireo: Haza sy Zaha.
Tsingerim-panofanana manokana roa Ireo nahavita ny tsingerim-panofanana fototra kosa dia azo antsoina ho filoha na ho mpampiofana ary misy koa fiofanana manokana ho azy ireo: -ho an’ny filoha amperin’asa dingana iray : Zary -ho an’ny mpampiofana misy dingana roa : Zatra, Zotra |
